Voalavo
Apparence
Ny voalavo dia biby mpikiky, sokajin' ny biby mampinono, lavalava vatana, tsoky loha, lava rambo, mpanimba zavatra (indrindra ny voly sy tahirin-tsakafo) ary mpapiely ny areti-mifindra amin' ny parasy entiny. Rattus ny anarany siantifika.
Ao amin' ny kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Voalavolahy nitsaba-doharano: tsy hetaheta, fa hasomparana.
- Aza mba malahelo maty voalavo, fa mbola hiakatra ny any an-tsaha.
- Aza manao fy ny voalavo, fy ny trandraka.
- Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka lazain-ko lanim-boalavo.
- Aza mandrava efa hoatry ny voalavo.
- Tsy mety raha mankafy ny voalavo noho ny trandraka.
- Aza ny firongarongan' ny voalavo no heverina, fa ny fahakeli-antitry ny totozy.
- Hianao voalavo mamono ny vary, izaho totozy mitsimpona ny raraka.
- Mason-tsokina, masom-boalavo, izay kely ananana ahiratra.
- Matoky ody voalavo, ka manao hena an-joron-damba.
- Mialikalika toy ny voalavo: ny alin-kandriana no itavanana.
- Voalavo mifanena an-kentona, ka samy mitandrina ny ainy ihany.
- Moa raha mikorintsana, dia amberivatry; raha mitety harana, dia voalavo; raha miboha, dia landihazo ?
- Mpandrava efa, toa voalavo.
- Nahoana no dia sahisahy, ohatra ny voalavo, ka tranom-pahavalo no ivelomana ?
- Ny voalavo no tsy mihetsika, ny saka no mbola mihiratra.
- Toy ny voalavo manani-drindrina: ka ny akoralava no fatratra.
- Toy ny voalavo sy ny totozy : iray volo, fa tsy iray raharaha.
- Totozy batry nify sy voalavo tsindohaina: tafahaon-tsamy gaiginy.
- Totozy sy voalavo, ka tsy izay lehibe no zokiny, fa samy manana ny taonany ihany.
- Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo, fa raha mitranga lanin' ny saka.
- Voalavo nitety mandotra: tsy mbola afaky ny lohany akory ka mikiakiaka.
- Voalavo latsaka am-bilanibe : ny kiry be ihany, fa ny lalan-kaleha no tsy misy.
- Voalavo latsaka an-kentona, ka ny halavoana leo ihany, fa ny akoralavan' ny olona no tsy toha ; hitraka moa tsy avelan' ny henatra; hiondrika, tsy avelan' ny voninahitra.
- Voalavo mandositra andro: mahin' ny fanahy ratsy natao halina.
- Voalavo mitsaba-dronono, ny kibo tsy voky, fa ny rambo no lena.