Aller au contenu

Sola gratia

Avy amin'i Wikipedia

Ny andian-teny latina hoe Sola gratia, izay midika hoe "amin'ny alalan'ny fahasoavana irery", dia enti-manondro ny ainga fototra kristiana izay milaza fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany, izany hoe amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany. Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika an'io andian-teny latina io hoe "Fahasoavana irery ihany".

Tsy mendrika ny famonjena azony avy amin' Andriamanitra ny olombelona, nefa nomen'Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina.

Ity foto-pampianarana ity dia nipoitra avy amin'ny hevitr'i Aogostino ny amin'ny famonjena ny fanahin'ny olombelona, famonjena izay tsy afaka ho avy tokoa raha tsy amin'ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra.

Niezaka ny tsy hanala tao amin'ny teolojiany ny fahafahan'ny olombelona izay miseho amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa anefa i Aogostino [1]na dia mihena dia mihena kely ny fahafahan'ny olombelona misafidy noho ny fahotan'i Adama.

Nambaran'ny Fiangonana katolika tamin'ny Konsily faharoa tao Orange tao Frantsa tamin'ny taona 529 io ainga fototra io izay nanameloka koa ny petrakevitry ny fanendrena rahateo ny ho voavonjy sy ny tsy ho voavonjy. Ao amin'ny protestantisma dia iray amin'ireo andian-teny fototra dimy manomboka amin'ny hoe Sola ny Sola gratia.

Ny fahasoavana ao amin'ny kristianisma

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny fivavahana kristiana, ny fahasoavana (grika: χάρις / kharis) dia fanampiana avy amin'Andriamanitra omena ny olombelona mba hahazoany famonjena, izany hoe ny fahafahana amin'ny fanamelohana sy ozona mandrakizay. Mety hifandray amin'ny famelan-keloka sy amin'ny fitiavana ary amin'ny hatsaram-pon'Andriamanitra ny fahasoavana. Tany Andrefana dia nodinihin'ireo teolojiana ny fifandraisan'ny fahasoavana sy ny safidin'ny olombelona; ka niadian-kevitra sy nifanoheran'izy ireo ny fahombiazana na ny fahampian'ny fahasoavana hahazoana famonjena.

Ho an'ny Protestanta dia ilazana ny fanomezana ny olombelona ny famonjena maimaimpoana ao amin'i Jesosy Kristy izay mitarika ho amin'ny finoana izany. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina, fa ny fahasoavana irery ihany (latina: Sola gratia).

Ny Sola gratia ao amin'ny protestantisma

[hanova | hanova ny fango]

Izany fanambaràna izany dia midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin'ny alalan'ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin'ny fitiavam-bavaka. I Lotera dia naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin'Andriamanitra fa tsy fifandraisana miorina amin'ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny fanasan'ny Tompo (eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanompoam-pivavahana ahitana toriteny dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia fitiavana amin'izao fotoana izao no azo tsapain-tanana ao amin'ny asa azo tsapain-tanana nataon'ny Zanany izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]


  1. Louis Cognet, Le jansénisme, Que sais-je ?, p. 8.