Aller au contenu

Herisetra

Avy amin'i Wikipedia

Ny herisetra dia fampiasana hery na fahefana, ara-batana na ara-tsaina, hanerena, hanjakazakana, hamonoana, handravana na hanimbana. Tafiditra ao anatin' izany ny fikapohana, ny fandratrana, ny fampijaliana, na ny famotehana ny fananan' olona na ny singa voajanahary. Araka ny voalazan' ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (OMS), ny herisetra dia fampiasan-kery ara-batana, fandrahonana atao amin' ny hafa na amin' ny tena, amin' ny vondrona na amin' ny vondrom-piarahamonina, izay miteraka na mety hiteraka ratram-po, na fahavoazana ara-tsaina, na olana amin' ny fitomboana, na fahafatesana.Hita eo amin' ny olona sy ny biby ny herisetra, izany dia maneho ny lanjany ara-pivoarana sy ara-biôlôjia.