Akoho amam-borona
Apparence
Ny akoho amam-borona dia ny fitambaran' ny vorona fiompy, ka anisan' izany ny akoho sy ny mifanakaiky karazana aminy (vorontsiloza, akanga, ...) sy ny vorona fisa-paladia toy ny ganagana sy ny gisa, izay ompina mba hahazoana nofony sy atodiny ary volony. Ireto ny vorona ompina indrindra, araka ny lanjany sy ny habeny midina: ny gisa, ny vorontsiloza, ny ganagana, ary ny akanga. Anisan' ny misy miompy koa ny kibobo (na kibo) sy ny voromailala.