Reconquista
Ny Reconquista dia fe-potoana sy hetsika naharitra 800 taona tamin' ny Andro Antenatenany izay nanaovan' ny fanjakana kristiana maromaro fanitarany ny taniny tao amin' ny Saikanosy Iberiana tamin' ny fandreseny ny fanjakana mozilmana rehetra tao Al-Andalus, ary nandroaka azy ireo hivoaka avy ao amin' ilay saikanosy.
Ny Reconquista dia nanomboka fotoana fohy taorian' ny fandresena sy fanitaran-tany silamo. Maro amin' ny foto-kevitry ny Reconquista no mahazatra tao amin' ny ankamaroan' ny Kroazada: miaramila avy amin' ny Tontolo Kristiana manontolo nandeha tany Iberia mba hiady amin' ny Mozilmana ho fibebahana kristiana.
Nifarana ny Reconquista tamin' ny 2 Janoary 1492 tamin' ny fandrese,a su fakana an' i Granada. Ny mpitondra mozilmana farany tao Granada dia nanolotra ny fanjakany tamin' i Ferdinand II any Aragon sy Isabella I any Castile, izay mpanjaka katôlika (espaniôla: los Reyes Católicos). Nanamarika ny fiafaran' ny fitondran' ny Mozilmana tao Iberia io hetsika io.