Aller au contenu

Vôdo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fivavahana vôdo)
Tsena fivarotana ody vôdo ao Lome any Tôgô.

Ny vôdo na vôdoisma dia fivavahan-drazana avy aty Afrika izay niely tamin' ny alalan' ny fivarotana andevo mainty hoditra tany Haity, tany Kobà, tany Karaiba, tany Brezily ary tany Etazonia. Ireo vahoaka Aja sy Eoe ary Fôna ao Benîno sy Ganà ary Nizerià no tena manaraka azy ao Afrika. Misy 50 tapitrisa any ho any ny mpino vôdo maneran-tany.

Fiaviana sy fielezany

[hanova | hanova ny fango]
Faritra niavian' ny vôdo

Avy ao Afrika atsimon' i Saharà ny fivavahana vôdo, izay nipoitra avy ao amin' ny Fanjakan' i Dahomey (izany hoe i Benîno ankehitriny, izay manao azy ho fivavaham-panjakana nanomboka tamin' ny taona 1996) tao Afrika Andrefana. Avy amin' ny teny fôna hoe vodun (izay midika hoe "fanahy") ny teny nogasîna hoe vôdo. Ny fiteny fôna dia fiteny ao Benîno. Tamin' ny voalohany dia nandroso tao amin' ireo firenena manamorona ny Hoalan' i Ginea, toa an' i Tôgô sy i Nizerià, tamin' ny alalan' ny lovantsofina am-bava koa ity fivavahana ity.

Ny fivavahana vôdo dia miompana amin' ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny zanahary na fanahy izay miseho amin' ny alalan' ny hery avy ivelan' ny zavaboary. Ireo fanahy ireo dia manapaka ny hoavin' ny olombelona sady mpanelanelana eo amin' ny olombelona sy ny Andriamanitra fara tampony. Ireo fanahy ireo dia mety ho razana lasa zanahary.

Karandoham-biby sy zavatra hafa hampiasaina amin' ny fivavahana vôdo

Ny finoana vôdo dia niampita ny Ranomasimbe Atlantika nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 tamin' ny alalan' ireo andevo maity hoditra, ka nandroso indrindra tao amin' ny faritra Karaiba, tao Haity ary tany Brezily, izay mbola ahitana azy mandraka ankehitriny. Vetivety dia lasa sehatra nanoherana ny fanandevozana sy ny fanjanahan-tany ny vôdo. Ny fivavahana vôdo dia notanterahina miafina. Nanoherana ny fanerena hanaraka ny fiteny sy ny fanao ary ny fivavahan' ny Fotsy hoditra izay nanao izay hahadoana ny maha izy azy ny Mainty hoditra.

Ny 17 %n' ny mponina ao Benîno dia manaraka ny fivavahana vôdo, izany hoe 1,6 tapitrisa; fivavaham-panjakana ny vôdo ao Benîno. Ny maro amin' ireo milaza ny tenany ho Kristiana (41,5 %) koa dia mpampifangaro ny fivavahana kristiana amin' ny vôdo. Ao Tôgô dia ny antasaky ny mponina no manatraka fivavahana teratany, ka ny be mpanaraka indrindra dia ny vôdo, izay ahitana mpino miisa 2,5 tapitrisa. Amin' ireo vahoaka Eoe any Ganà dia manodidina ny iray tapitrisa koa ny mpanaraka ny vôdo (13 %n' ny mponina any Ganà, izany hoe 38 %n' ny Ganeana manaraka ny fivavahan-drazana). Any amin' ny 14 tapitrisa no manaraka ny vôdo any Nizeria, ka ny ankamaroany dia ireo Iôroba izy manaraka koa fivavahana Ifá. Any Haity dia ny 80%n'ny mponina no manaraka ny vôdo izay mapifangaeo azy amin' ny fivavahana kristiana matetika.

Sarivongana maneho an' i Ogun

Tany am-piandohany dia mino ny fisian' ny Andriamanitra tokana fara tampony mpamorona atao hoe Mbamawu sy fanahy (lwa na loa) maro hafa ny fivavahana vôdo, nefa nisy fiovana miandalana izany rehefa tany an-dafin' i Atlantika. Lasa nanana toera vaovao ireo fanahy ireo, izay miisa anarivony, taty aoriana. Misy amin' izy ireo ny tsara fa misy koa ny ratsy. Taty aoriana koa dia nampiditra fomba avy amin' ny fivavahana katôlika koa ny vôdo, ka isan' izany ny fampitoviana ny fanahy sasany amin' ireo olomasina kristiana, ny fampidirana sakramenta toy ny batemy (na batisa). Tafiditra koa ny fampiasana jiro sy lakolosy ary lakroà. Avy amin' ny fivavahan-drazana afrikana kosa ny dihy sy ny amponga ary ny fivavahana amin' ny razana.

Anisan' ireo fanahy inoana ao amin' ny vôdo:

  • i Papa Legba (fanahy mpitarika ireo fanahy hafa, moanondro ny lalan-kombana, irak' Andriamanira sady mpanelanelana aminy, mihazoa ny fanakahidin' ny Afobe sy ny Paradisa, heverina fa i Md Piera);
  • i Dan Aido Weddo (fanahy na zabahary bibilava avana);
  • i Azaka na Zaka (fanahy ho an' ny asa tany: ny fambolena sy ny fijinjana, ampitovin' ny Vôdoista haitiana amin' i Md Izidôro mpiasa tany izy);
  • i Ogun na Ogou na Ogou Feray na Gou (fanahy manampy ireo mpanefy sy ny mpiantafika, mifehy ny afo sy ny vy);
  • i Ezili na Erzulie Freda (fanahy ho an' ny hatsaran-tarehy sy ny fitiavana, ampitovina amin' i Masina Maria);
  • ireo Marassa kambana (zazakely, manana fahefana roa sosona);
  • ireo Gédé maro (fanahy ho an' ny fahafatesana sy ny fahavokarana, tarihin' ireo Baron (Baron Samedi, Baron La Croix, Baron Cimetière, Baron Kriminel), sy i Maman Brigitte).

Miely dia miely any Tahity ny fivavahana vôdo izay manome toerana lehibe ny ombiasa izay inoana fa manana fahefana lehibe, inoana fa afaka manova ny olona ho lolovokatra (kreôly haisiana: zonbi) tsy manan-tsafidy maokana fa baikoina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]