Aller au contenu

Fiteny tibetika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tibetika dia andiam-piteny ao amin' ny vondrona sinô-tibetana, avy amin' ny fteny tibetana taloha, ampiasaina ao amin' ny faritra midadasika any amin' ny ilany atsinanan' i Azia Afovoany, hatrany amin' ny faritry Zana-kôntinenta Indiana manamorona azy, ka anisan' izany ny Lembalemba Tibetana sy ny tangoron-tendrombohitra Himalaya any Baltistan, any Ladakh, any Nepaly, any Sikkim (India), ary any Botàna.

Ny fiteny tibetana klasika dia fiteny lehibe amin' ny literatioram-paritra, indrindra amin' ny fampiasana azy amin' ny literatiora bodista. Ny fiteny tibetana afovoany (ny fitenim-paritr' i Ü-Tsang, anisan' izany ny fiteny tibetana manara-penitra, izay atao hoe fiteny tibetanan' i Lhasa), ny fiteny tibetanan' i Kham ary ny fiteny tibetanan' i Amdo dia heverina ho fitenim-paritry ny fiteny tokana, indrindra noho ny fitovian' ny fitenin' ny literatiora, fa amin' ny ankapobeny ny fiteny jôngka, ny fiteny sikimey, ny fiteny serpa, ny fiteny ladaky, ary ny ny fiteny balty dia heverina ho fiteny miavaka. Nampiasaina hanondroana fiteny isan-karazany ao amin' ny fiteny tibetô-birmana ny teny hoe "tibetika".