Aller au contenu

Zana-Kôntinenta Indiana

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Firenena ao amin' ny zana-kôntinenta indiana

Ny Zana-kôntinenta Indiana na Saikanosy Indiana dia faritra ara-jeôgrafia ao Azia Atsimo, mirefy 4 500 000 km2 any ho any, izay ahitana an' i India, i Pakistàna, i Bangladesy, i Nepaly, i Botàna, i Srilanka ary ireo nosy Maldiva sy ampahan-tanin' izy ireo sy ampahan-tany fehezin' i Sina ankehitriny. Misy mponina 1 800 tapitrisa any ho any ny ao amin' ny zana-kôntinenta indiana, ka ny 1 400 tapitrisa dia monina ao India: izy no faritra eto amin' ambonin' ny tany be mponina indrindra, izay onenan' ny iray ampahefatry ny mponina maneran-tany. I Birmania koa indraindray dia tafiditra ao amin' io zana-kôntinenta io nefa ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia dia miaraka amin' i Azia Atsimo-Atsinanana izy. Noho ny antony ara-tantara dia tafiditra ao koa indraindray i Afganistàna.

Noho ny fipetrahany eo ambony sosom-bato mitokana sy noho ny fananan' izy ireo singa ara-kolontsaina iombonana no nahatonga ireo firenena ireo hakambana ao amin' io faritra io. Ny ampahany atsimo amin' ity faritra ity dia saikanosy lehibe, fa ny avaratra kosa dia misaraka amin' i Azia Afovoany amin' ny alalan' ny tandavan-tendrombohitra Himalaia izay mamorona sakana ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia eo anelanelany sy ny faritra hafa ao Azia.

Jereo koa

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia

Fizaràm-paritra hafa ao Azia