Aller au contenu

Fiteny iberô-rômana

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sarintany mampiseho ny fivoaran' ny fiteny any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Eorôpa nanomboka tamin' ny taona 1000-2000 taor. J.K.

Ny fiteny iberô-rômana na indraindray fiteny iberiana dia fianakaviam-piteny ahitana indrindra fiteny rômana avy ao amin' ny Saikinosy Iberiana, izay faritra ahitana an' i Espaina, i Pôrtogaly, i Gibraltar, i Andorra ary ny tapany atsimon' i Frantsa. Ireo fiteny ireo amin' izao fotoana izao dia misaraka kokoa amin' ny vondrona iberiana andrefana sy ôksitanô-rômana (fiteny sy ny fitenim-paritra any amin' ny tapany atsinanan' ilay saikinosy).

Nivoatra avy amin' ny fiteny latinam-bahoakan' i Iberia ny fiteny iberô-rômana be mpampiasa indrindra, dia ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny katalanô-valensianô-baleara, ary ny fiteny galisiana. Ireo fiteny ireo koa dia manana ny karazany isam-paritra sy eo an-toerana. Nifototra amin' ny fifankahazoam-piteny i Dalby raha manisa fiteny "ivelany" na vondrom-piteny fito: ny ny fiteny galisiana-pôrtogey, ny fiteny espaniôla, ny fiteny astorleôney, ny fiteny aragôney "mivelatra", ny fiteny katalana "mivelatra", ny fiteny prôvensaly+langadôkiana, ary ny fiteny gaskôna "mivelatra". Ho fanampin' ireo fiteny ireo dia misy fiteny kreôla pôrtogey sy fiteny kreôla espaniôla, ohatra, ny fiteny papiamentô.