Ny vitsikazo na aboaly na neno dia bibikely mikiky ny hazo amin' ny trano na ny fanaka na amin' ny toeran-kafa. Ao amin' ny filaharana Blattodea (miaraka amin' ny kalalao) izy ireo, na dia noheverina hatry ny ela aza fa izy ireo no hany solontenan' ny lamina Isoptera izay misy vondron-karazana 281 ary karazana 2 600 any ho any. Efa nisy izy ireo, fara fahakeliny, hatramin' ny vanim-potoana Jorasika. Bibikely miara-monina sy mizara asa ary mizara saranga ny vitsikazo. Izy ireo dia hita indrindra any amin' ny faritra mafana, izay misy karazany sasany manao akany lehibe amin' ny tany, atao hoe votry, mampiavaka ny lembalemba any amin' ny faritra trôpikaly.

Vitsikazo

Ny vitsikazo dia bibikely mpihinana akora zavamaniry maty isan-karazany, indridra ny nofon-kazo sy ny ravina ary ny roka amin' ny tany. Miavaka amin' ny fananana vatana malemy sy ny tsy fisian' ny fandoko izy ireo ka mahatonga azy ireo ho fotsy. Manodidina ny 2 972 eo ho eo ny karazana mbola misy ankehitriny, ka ny 2 105 amin’ ireo dia anisan' ny fianakaviana Termitidae.

Mitovy amin' ny vitsika sy ny tantely ary ny fanenitra izay ao amin' ny filaharana misaraka Hymenoptera ny ankamaroan' ny aboaly izay manana rafitra ahitana "mpiasa" sy "miaramila" izay misy ny ankamaroan' ny aboaly tsy miteraka izay miavaka ara-batana sy ara-pitondran-tena. Tsy toy ny vitsika, ny ankamaroan' ny andiana aboaly iray trano dia manomboka amin' ny efa matotra ara-pananahana fantatra amin' ny anarana hoe "mpanjaka" sy "mpanjakavavy" izay mamorona mpivady tokana. Tsy toy ny vitsika, izay mandalo fiovana endri-batana tanteraka, ny aboaly dia mandalo fiovana endri-batana tsy feno izay mandalo amin' ny atody sy ny monany ary ny lehibe. Ny aboaly iray trano dia misy an-jatony vitsivitsy ka hatramin' ny an-tapitrisany maro. Ny ankamaroan' ny karazana tsy fahita firy, manana fiainana saro-pantarina, izay miafina ao anatin' ny galeria sy ny tonelin' ny akaniny mandritra ny ankamaroan' ny androm-piainany.

Ny fahombiazan' ny aboaly amin' ny maha vondrona azy dia nahatonga azy ireo honina saika amin' ny faritra rehetra eran-tany, miaraka amin' ny fahasamihafana betsaka indrindra any amin' ny tany mafana izay anombanana azy ireo ho 10 % amin' ny biômasin' ny biby, indrindra fa aty Afrika izay ahitana karazana 1 000 mahery. Mpanapotika akora zavamaniry simba any amin' ny faritra mafana eran' izao tontolo izao izy ireo, ary manan-danja ara-tontolo iainana amin' ny fanodinana ny hazo sy ny akora zavamaniry. Maro ny karazany afaka manova ny toetran' ny nofon-tany toy ny lalan-drano, ny fahalovana, ny tsingerin' ny otrikanina, ny fitomboan' ny zavamaniry, ary noho izany manova ny endriky ny tontolo manodidina amin' ny alalan' ny votry lehibe amboarin' ny karazana sasany.

Misy fiantraikany amin' ny olombelona ny aboaly. Izy ireo dia sakafo matsiro ao amin' ny kolontsain' olombelona sasany toy ny Makiritare ao amin' ny faritanin' i Alto Orinoco any Venezoela, ary matetika ampiasaina ho zava-manitra ao amin' ireo vahoaka ireo. Ampiasaina ny aboaly amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ny aretina isan-karazany toy ny gripa, ny sohika, ny aretin' ny traoka, sns. Ny aboaly no malaza indrindra amin' ny maha bibikely mpanimba azy; na izany aza, ny ankamaroan' ny karazana aboaly dia tsy maninona, ary ny isan' ny faritra misy karazana manan-danja ara-toekarena dia: i Amerika Avaratra (karazana 9), i Aostralia (karazana 16), ny Zana-kôntinenta Indiana (karazana 26), i Afrika trôpikaly (karazana 24), i Amerika Afovoany sy i Karaiba (karazana 17). Amin' ireo karazana fantatra, ny 28 mpanani-bohitra indrindra sy mpanimba indrindra dia ao amin' ny vondron-karazana Coptotermes. Ny fiparitahan' ireo karazana aboaly malaza mpanimba indrindra ireo dia heverina fa hitombo rehefa mandeha ny fotoana vokatry ny fiovan' ny toetany. Ny fitomboan' ny tanàn-dehibe sy ny fifandraisana dia vinavinaina ihany koa hanitatra ny isan' ny aboaly sasany.

Jereo koa

hanova