Saikanosy
Ny saikanosy na saikinosy dia tany saika hodidinin-dranomasina nefa misy tapany mampitambatra azy amin' ny tany lehibe, ka tsy mitovy amin' ny nosy izay voahodidina rano avokoa ny sisiny. Tsy mitovy habe ny saikanosy satria ao ireo ngeza ary ao ireo kelikely. Ny saikanosy madinika dia mitovitovy amin' ny nosy madinika. Manana saikanosy ny kôntinenta tsirairay. Ny Saikanosin' i Arabia na Saikanosy Arabo no saikanosy lehibe indrindra eran-tany.
Jereo koa
hanovaTany
- Saikanosy - Nosy - Andilan-tany - Tanibe (na Kôntinenta)
Ranomasira
Ranovory
Korian-drano
- Renirano - Ony - Sakelidrano - Loharano