Ny firamainty na firaka dia singa ara-tsimia mitondra ny laharana atômika 82 araka ny firaketan' i Mendeleiev, sy ny eva Pb (fanafohezana ny teny latina hoe Plumbum). Metaly mora volavolaina ny firamainty, izay miloko volombatolalaka manopy manga, mihafotsy moramora rehefa mitombo ny ôksizenina ao aminy (izany hoe doroana). Izy no mavesatra indrindra amin' ny singa marin-toerana. Mitsonika ny firaka rehefa mahatratra 328 °C ny hafanany, ary mangotraka rehefa mahatratra 1 740 °C. Manana hakitroka 11,34 izy.

Firamainty

Miely patrana eran' izao tontolo izao ny firamainty. Matetika izy io dia mifandray amin' ny fanitso. Ao amin' ny natiora, ny firamainty dia hita amin' ny endrika miratoerana valo, ka ny efatra amin' ireo dia radiôaktifa. Ny miratoerana telon' ny firamainty, firamainty-206 sy firamainty-207 ary firamainty-208, no singa farany amin' ny rojo radiôaktifan' ny oraniôma, ny an' ny aktiniôma ary ny an' ny tôriôma.

Ny firamainty ampidirina ao amin' ny vatana amin' ny endriny rehetra dia tena misy poizina. Ny vokatr' izany dia tsapa amin' ny ankapobeny aorian' ny fiangonany ao amin' ny zavamananaina. Ao amin' ny olombelona; ny fanapoizinana dia miseho amin' ny alalan' ny kotsatra (lany ra), ny fitohanana, ny tsongofoitra, ary ny fahalemena, indrindra eo amin' ny hato-tanana sy ny kitrokely. Tsy tokony hisy firamainty ny fantsona fitarihana rano fisotro; miezaka mamporisika ny fampiasana lasantsy tsy misy firamainty ny firenena maro mba hiadiana amin' izany fandotoana izany. Ny ankizy no tena iharan' ny fanapoizinana, na dia amin' ny fatrany kely indrindra aza ny firamainty: mety hahatara ny fivelaran' ny fihetsehany, hanimba ny fitadidiana, hiteraka olana amin' ny fihainoana ary hampisy fikorontanan' ny fijoroana mahitsy sy ny fahamarinan-toeran' ny fihetsika ny firamainty. Eo amin' ny olon-dehibe dia mety miteraka fiakaran' ny tosidra izany.

Jereo koa

hanova